Mavesatra ny takaitra navelan’ilay rivodoza Honde ho an’ny distrika 18 voakasika ao amin’ny tapany atsimo andrefan’ny Nosy. Efa tany amin’ny 350 km atsimon’i Taolagnaro no nisy azy, omaly maraina.
Valo ny olona namoy ny ainy vokatry ny fandalovan’ny rivodoza Honde tany amin’ny tapany atsimon’ny Nosy, araka ny tatitra navoakan’ny BNGRC omaly hariva. Telo any Bekily, iray any Betroka, iray tany Morondava ary telo any Ampanihy Andrefana. Iray ny olona tsy hita popoka, any Belo sur Tsiribihina. 88 ireo olona naratra voamarina.
Nahatratra 88 215 ny traboina (tokantrano 20 486) ka 25 272 any Androy, 42 832 any Atsimo Andrefana, 120 any Ihorombe ary 19 991 any Menabe. Olona 27 707 no nafindra toerana (tokatrano 6 624) mipetraka amin’ny toeram-pandraisana miisa 57.
Toeram-pandraisana fito ao Morondava misy olona 6 095. Manana toerana 38 ao Belo Sur Tsiribihina, ahitana olona 8 735. Toeram-pandraisana iray ao Mahabo mandray olona 406. Ao Ampanihy Andrefana, mipetraka amin’ny toerana 12 ireo nafindra toerana 1 314, raha telo ny toerana misy ireo olona 3 262 ao Morombe. Manana olona nafindra toerana 2 553 ao Toliara I raisina amin’ny toerana roa raha toerana valo no ipetrahan’ny olona 4 518 ao Toliara II. Tokana ny toeram-pandraisana ny olona 204 ao Ambovombe, iray koa ao Ihosy mandray olona 120, Manana olona nafindra toerana 463 ao Beloha, ary 37 ao Tsihombe.
Efitrano fianarana rava
Dimy ny faritra vokasiky ny vokatry ny rivodoza ka nahavoa 18 distrika sy kaominina 100. Momba ny fotodrafitrasa, 13 467 ny trano dibo-drano, 1 370 ny toeram-ponenana simba, ary 10 305 ny trano rava tanteraka. Ho an’ny lafiny fampianarana manokana, 61 ny efitrano fianarana nahitana fahasimbana, 22 tsy manana tafo intsony fa lasan’ny tafiotra ary 21 rava tanteraka. Momba ny fambolena, 6 021 ha ny tanimbary difotry ny rano vokatry ny orambe nentin’ilay rivodoza.
Vonjy