Ampanihy Andrefana: Mihandrona ny rano, miteraka aretina

Na tsy avy intsony aza ny orana, mbola misy ny rano miandrona ao Ampanihy Andrefana vokatry ny rotsakorambe nisesy tany an-toerana, tamin’iny herinandro iny. Tsy zakan’ny ankizy madinika ny rano maloto sy ny hamandoana ka mamparefo azy ireo. Mitarika aretim-pivalanana sy aretin’ny taovam-pisefoana, tazomoka… ho an’ireo marefo izany. Manginy fotsiny ny aretin-koditra, hidihidy, mifindra amin’ireo ankizy vokatry ny fahalotoan’ny rano.
Nidina avy hatrany eny anivon’ireo distrika sy kaominina ahitana ireo olona traboina ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka. Nitondra ny karazana tolotra ara-pahasalamana ara-kalitao, nanao fitiliana ary nitsabo maimaimpoana avy hatrany ireo tsy salama ny dokotera nitety ireo toerana nisy traboina.
Hitohy ny fanaraha-maso ny fahasalamana sy ny fitsaboana hataon’ny minisitera mandra-pahatony ireo aretina mipoitra rehefa fotoan’ny rivodoza toa izao.

Tatiana A

Partager sur: