Nomarihina omaly, ny Andro maneran-tany ho an’ny fihainoana. “Ovay ny toe-tsaina: ataontsika zava-dehibe ny fikarakarana ny sofina sy ny fihainoana ho an’ny rehetra”. Io ny lohahevitra novoizina nandritra ny fanamarihana. Tetsy amin’ny Institut d’hygiène Analakely no nanaovana fizaham-pahasalamana maimaimpoana ny olan’ny sofina sy ny fihainoana nentina nanamarihana izany. Nisy koa ny fitiliana sy fanadiovana sofina, ny fitsapana ny halalin’ny faharenesana ary ny fanentanana amin’ny fisorohana ny olan’ny sofina sy ny fihainoana.
Sarobidy ny sofina satria io ny taova hahafahana mandre ny karazam-peo rehetra ary manampy amin’ny firindran’ny fiainan’ny olona iray. Maromaro ireo fahazaran-dratsy manimba haingana ny sofina ka tokony hialana mihitsy, raha ny fanazavan’ny dokotera mahay momba ny sofina. Anisan’izany ny fampiasana coton tige izay vao mainka manosika ny loto hilentika lalina kokoa. Eo indrindra koa ny fampiasana finday maharitra loatra eo amin’ny sofina. Ny fampiasana “écouteur” matetika ary ny fihainoana feon-javatra mahery loatra eny fa na hirahira aza.
Zava-dehibe ny fikolokoloana ny sofina mba haheno tsara, ho salama ka tsy tokony hatao ambanin-javatra ny fanatonana dokotera raha misy manelingelina ny fandrenesana.
Tatiana A