Efa ao anatin’ny fanomanantena amin’ny fiatrehana ny dingana faharoa amin’ny fiadiana ny “Challenger series”, taranja rugby lalaovina olona 7, ny Makis, amin’izao fotoana izao. Ao amin’ny vondrona “C” i Madagasikara, miaraka amin’i Georgie sy i Allemagne.
Tsy niandry ela fa taorian’ny fahavitan’ny dingana voalohany amin’ny fiadiana ny “Challenger series”, natao ny alahady lasa teo, tatsy Afrika Atsimo, namoaka ny fandaharam-potoana ny amin’ny dingana faharoa ny Rugby Afrique. Fihaonana hatao any Cape Town hatrany. Fantatra àry fa hidona voalohany amin’ny Makis de Madagascar i Georgie, ho an’ny sokajy “C”.
Raha ny tombana, tsy tokony haha sakana ny Malagasy ry zareo Georgianina. Laharana faha-11 amin’ireo firenena 12 miatrika ity “Challenger series” ity mantsy izy ireo.
Aorian’io, hifanandrina amin’i Allemagne indray ny Makis de Madagascar. Io no mety ho maozatra satria ekipa nandrombaka ny medaly alimo, nandritra ny fihodinana voalohany ry zareo Rainiboto. Izay tafavoaka voalohany eo no miatrika ny manasa-dalana ka hifanandrina amin’izay tafavoaka amin’ireo ao amin’ny vondrona “B” misy an’i Ouganda sy i Tonga ary i Chilie, tompondakan’ny dingana voalohany ary i Hong-Kong Chine.
Tsiahivina fa eo amin’ny laharana fahenina ny toerana misy ny Makis de Madagascar, taorian’iny lalao notanterahina ny sabotsy 1 sy ny alahady 2 marsa lasa teo iny.
Hangotraka ity fihaonana farany ity satria samy hanao izay ho afany ireo firenena mifaninana ireo. Manohy ny fifaninanana any Pologne, ny 11 sy ny 12 avrily ho avy izao, ireo tafiditra ao anatin’ny 8 voalohany, aorian’ny fanambarana ny isa amin’ireo dingana roa ireo. Omaly dia efa niatrika fanazarantena ny Makis de Madagascar. Nanao fanintsiana, ireo zavatra tsy nety rehetra ny mpanazatra. Nohamafisina tao anatin’izany ny tanjaka ara-batana sy ny fanafainganana ny fanafihana.
Tompondaka