filoha vaovao : Ho fantatra ny volana avrily ny FMTKD

Araka ny fanadihadiana natao omaly, hotontosaina ny 12 avrily ho avy izao, ny fifidianana izay ho filohan’ny Federasiona malagasin’ny taekwondo WT (FMTKD) vaovao. Fantatra amin’io fotoana io izany ny anaran’ny olona hitantana indray ny FMTKD. Tsara ny mampahafantatra fa efa nijoro nanomboka ny volana febroary teo, ny Comité Ad’Hoc, izay tantanin’ny sekretera jeneralin’ny Federasionina FMTKD teo aloha, izany hoe, tamin’ny andron-dRamanantsoa Christian. Ny tale teknika nasionalin’izany kosa, dia ny SG, Rako­tomanana Franck Tiana, lehiben’ny Federasiona izay avy noravana teo, noho ny tsy nahazoan’izy ireo taratasy fankatoavana avy amin’ny Komity Olympika malagasy.
Raha ny filazan’ilay loharanom-baovao iray, ny federasiona iraisam-pirenena no nanendry azy ireo. Hatramin’izao, tsy mbola misy antontan-taratasy voaray mahakasika izay ho kandidà ho filoha hitantana ny taekwondo WT malagasy.
Ny faran’ny herinandro lasa teo, nisy ny fifidianana teny anivon’ireo seksionina. Toy ny an’Ambohidratrimo sy Antananarivo Renivohitra, Avaradrano ary Atsimondrano.

F.R

Partager sur: