Nifarana ny 1 marsa lasa teo, tany amin’ireo faritra telo: Ihosy sy Antsirabe ary Mahajanga, ny dingana faharoan’ny fifaninanam-pirenena, sokajy vehivavy, taranja baolina kitra. Anisan’ireo klioba sambany nandray anjara, nefa tafita amin’ny dingana farany, ny Askam Afa Itasy, izay nifaninana tao Antsirabe.
Nilaza ny mpanazatra azy ireo, i Manitriniaina Steve Princy, fa : “ho sarotra ny ady miandry ka hiatrika fanazarantena avy hatrany izy ireo ary ny tanjona dia ny ho voalohany, sy ho voahosotra ho tompondakan’i Madagasikara”. Tsara ny mampahafantatra fa tamin’ireo lalao telo nataon’ny Askam, nahita isa efatra izy ireo. Izany hoe, faharesena nanoloana ny AC Sabnam Analamanga, 1 no ho 0. Ady sahala, 1 no ho 1, tamin’ny AJSM Analamanga, ary nahita fandresena, 4 no ho 0, nandritra ny lalaon’izy ireo farany tamin’ny Canon FC Atsinanana.
Tsara ampahatsiahivina fa ireo roa voalohany isaky ny vondrona no miakatra amin’ny dingana manaraka. Hotanterahina ny 19 hatramin’ny 23 avrily ho avy izao, eto Antananarivo, izany. Ity fifanintsanana nasionaly ity izay mbola ao anatin’ny taom-pilalaovana 2024.
Fitia Randria
Ireo tafita isam-bondrona :
Antsirabe :
Askam Afa Itasy, AC Sabnam Analamanga,
Ihosy :
Ascuf Matsiatra Ambony, As Myeco Anosy.
Mahajanga :
Disciples FC Vakinankaratra, Samba DS Diana.