Takaitran’ny rivodoza Honde: Nitombo ho 99 890 ny traboina, ho betsaka ny orana any avaratra

Araka ny tatitry ny BNGRC omaly maraina, nijanona ho valo ny isan’ny olona maty vokatry ny fandalovan’ny rivodoza Honde tany amin’ny faritra Atsimo Andrefana. Olona iray no tsy hita popoka ary 88 ireo naratra.

Nitombo ho 99 890 ny isan’ny traboina (tokantrano 23 483) ka ny 25 272 any Androy, 54 507 ao Atsimo Andrefana, 120 ao Ihorombe ary 19 991 ao Menabe. 22 020 ny olona nafindra toerana (tokantrano 5 502 ) raisina an-tanana amin’ny toerana 75. Ao Ampanihy Andrefana no be traboina indrindra, mahatratra 29 901. Manaraka ny ao Toliara II.
Any Belo sur Tsiribihina no misy olona nafindra toerana betsaka indrindra, mahatratra 8 735 amin’ny trano 38. Mana­raka ny ao Toliara II, misy olona 4 518 mipetraka amin’ny toeram-pandraisana valo. Any Morombe, 3 262 ireo niala ny toeram-ponenany.
Hatramin’ny omaly, 21 ny efitranon-tsekoly tsy azo ampiasaina intsony, 61 nisy fahasimbana ary 22 tsy manana tafo. Teo amin’ny fotodrafitrasa hafa, 15 166 ny trano dibo-drano, 2 226 simba ary 10 743 rava tanteraka. 6 021 ha ny tanimbary tondraky ny rano. Dimy ny faritra voakasika ka ny kaominina 109 anatin’ny distrika 18 no nitondra takaitra vokatry ny rivodoza Honde.
“Dibo-drano tanteraka ny tampon-tanàn’ny kaominina Beloha, distrikan’i Beloha, izay ahitana 3 700 tokantrano manana traboina miisa 10 000”, hoy ny BNGRC.

Ho betsaka ny orana any avaratra atsinanana
Raha izany ny any atsimon’ny Nosy, nanambara ny foibe famantarana ny toetry ny andro fa tombanana ho betsaka ny rotsakorana, ny faran’ny herinandro, any amin’ny ilany avaratra atsinanan’ny Nosy. Mety hahatratra 50 hatramin’ny 100mm ny tahan’ny rotsakorana andrasana ao anatin’ny 24 ora. Hanomboka ny zoma hatramin’ny alahady ny fampitandremana miloko maitso ho an’ireo toerana voakasika ho an’ny faritra Sava, Ambatosoa ary Analanjiroro. Mety hisy fikorontanana, araka izany, ny asa aman-draharaha andavanandro, fiandronan’ny rano amin’ireo toerana mora tondraka, fiakaran’ny renirano ary fihotsahan’ny tany sy ny lalana amin’ireo toerana marefo.

Vonjy

Partager sur: