Tetikasa A-Viavy: Hiarovana ny vehivavy mpanao gazety anatin’ny asany

Napetraka ny volana desambra 2024 ny “A-Viavy”, tetikasa natsangan’ny Ilontsera (Ivom-pandalinana ny tontolon’ny serasera marolafy eto Madagasikara) ka tohanan’ny Fonds mondial pour la défense des médias ary vatsian’ny Unesco vola.

Tanjona ny fiarovana ny vehivavy mpanao gazety vokatry ny fahitana fa maro ny tsindry mahazo ny vehivavy amin’ny maha mpanao gazety azy sy amin’ny maha vehivavy azy, araka ny fanazavana nentin’ny tomponandraikitra momba ny fampandrosoana sy ny fikarohana eo anivon’ny Ilontsera, Ramananjato Ialivola, omaly, teny Andraharo.
Misy ny fangalana toro hijerena ny lesoka amin’ny fanatanterahana ny asa (maha mpanao gazety) sy ny zava-misy momba ny fiarovana ny mpanao gazety amin’ny ankapobeny eto Madaga­sikara. Nanomboka ny fiandohan’ny tetikasa ka hatramin’izao, iray ny fitarainana azon’ny tetikasa. Efa noraisina an-tanana amin’izao fotoana izao izany ary miaraka amin’ny cabinet juridique sy ny Ilontsera. Efa nitety faritra ny tetikasa ka dimy no vita hatreto. Satria, ny zava-misy momba ny vehivavy mpanao gazety manerana ny faritra no voakasika. Teto Antananarivo no natao, tamin’ity herinandro ity, ny famaranana ny andiany voalohany. Maro ny toro efa azo ka mijery ny fomba hitondrana ny tohana momba ny lalàna ho an’ny mpanao gazety ny tomponandraikitra ankehitriny.
Afaka miantso amin’ny laharana 038 43 345 25 na mandefa mailaka manokana amin’ny adiresy: gmdf.ilontsera@gmail.com ilay mpanao gazety mitaraina. Miaraka mijery ny tranga ny cabinet juridique sy ny Ilontsera ary mbola manamarina ny zava-misy sy manadihady raha tao anatin’ny asa fanaovan-gazety na maha olon-tsotra azy no nisehoan’ny tranga.
Asa fanaovan-gazety no nosafidiana itondrana tohana. Satria, ny Ilontsera ivom-pandalinana ny tontolon’ny serasera marolafy ary nahatsapa fa betsaka ireo tsindry mahazo ny mpanao gazety ka nanoratana ny tetikasa sy itondrana fiarovana. Maro kokoa ny tsindry mihatra amin’ny vehivavy mpanao gazety ka mitodika amin’izy ireo aloha ny tetikasa amin’izao fotoana izao. Misy ny mpanao gazety nanao fijoroana vavolombelona fa tsy nihoatra ny 10 no sahy nitoroka hatramin’izao noho ny tsy fahalalana ny zony sy ny tahotra.

Vonjy

Partager sur: