Nosantarina tamin’ny fambolen-kazo niarahana tamin’ny minisiteran’ny Mponina sy ny firaisankina, notarihin’ny minisitra, Razafinjato Aurelie, ny fanamarihana ny Andron’ny vehivavy atao Mahajanga, omaly.
Anjara biriky amin’ny fanamaitsoana ny tontolo, hiarovana amin’ny fiovaovan’ny toetr’andro no natao tao amin’ny fokontany Marohogo, kaominina Belobaka. Nentanina amin’ny fikolokoana ireo zana-kazo vao natsatoka izay misy ny dian-tanan’ireo vehivavin’i Boeny ny fikambanam-behivahy. Irina ny mba hahalehibe ireo hazo novolena, hiarovana azy amin’ny doro tanety ary ho tonga alokaloka rahatrizay.
Tatiana A