INDRAY MIJERY

Notanterahina ny faran’ny herinandro lasa teo ny fanolorana ireo fitaovana hoentina manatsara ny kalitao sy ny tolotra ara-pahasalamana ho an’ny reny sy ny zaza eo anivon’ny hopitaly CHU Andohatapenaka. Fiaraha-miasan’ny fanjakana malagasy sy sinoa.

Nandray ny asany ny tale vaovao misahana ny fankatoavana sy ny fiantohana ny kalitao eo anivon’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, ny Pr Raharinina Angelo. Hanohy ireo ezaka vita sy hitondra vina vaovao ho fanamafisana ny fanatsarana ny rafitra “Accréditation” sy “Assurance qualité” eto Madagasikara no tanjona napetrany.

Mitohy ny fampiofanana mahakasika ny fandaharanasa Sandwatch sy ny fitaovam-pampianarana Kits MAD’ErE ao amin’ny Cisco Morondava, Dren Menabe, ho fanatsarana ny kalitaon’ny fanabeazana ara-tontolo iainana. Tanterahina ao amin’ny EPP Nosy kely, Cisco Morondava mandritra ny hefarana ny fampiofanana ireo mpampianatra avy amin’ireo sekoly dimy voafantina hisitraka ny tetikasa.

Antonony ny tahan’ny fahalotoan’ny rivotra eto Antananarivo. Manodidina ny fetran’ny OMS ny refy rehetra voaray. Ao anatin’ny roa andro ho avy, vinavinaina hijanona antonony ny tahan’ny fahalotoan’ny rivotra eto Antananarivo.

Partager sur: