Tsy miandry ela, miroso hatrany amin’ny fanohizana ny fandaharam-potoanany ny eo anivon’ny federasion’ny karate-do malagasy (FKM). Taorian’ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, sokajy ankizy sy vehivavy farany teo, miroso amin’ny fampivondronana ireo atleta indray ny federasionina. Fampivondronana izay hitiliana ny handrafitra ny ekipam-pirenena malagasy hiatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, hatao any Nizeria, ny 23 hatramin’ny 27 jolay izao. Araka izany, mivondrona any Antsirabe, nanomboka omaly 6 marsa hatramin’ny 9 marsa izao ireo atleta mendrika tamin’iny fifaninanana farany teo iny. Atleta 12 eo amin’ny Kumite sy atleta 6 ao amin’ny Kata no voaantso hiatrika izany fampivondronana izany. Ankoatra ireo, mpikatroka manerana ny Nosy 76 hafa ihany koa no voaantso hanatrika ity fampivondronana faharoa nokarakarain’ny federasiona, tamin’ity taom-pikatrohana 2025, ity. Mikasa ny handefa solontena maro any Nizeria ny federasiona amin’io fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika ho avy io mba hahafahana mahazo vokatra tsara.
Mi.Raz