8 marsa, Andro iraisam-pirenena ho an’ny vehivavy. Matoa tinapaka eran-tany io, omen’izao tontolo izao lanja ny vehivavy. Na izany aza, samy manana ny fombany sy foto-pisainany ny firenena tsirairay.
«Ny hanambadian-kiterahana », hoy ny Malagasy. Tsy niala lavitra izay tokoa ny nandraisan’ny fiarahamonina ny vehivavy. Loharanon-taranaka hahazoana ny ho dimby sy ny ho fara. Lehibe tsy voavidy vola na voasandan-javatra hafa ny taranaka ho an’ny Malagasy. Sokajina ho faraidiny ny vehivavy momba. Maro ireo diso hevitra, mijanona hatreo amin’ ny maha mpanome taranaka azy fotsiny no nilan’ny fiarahamonina, ny vehivavy.
Loharanon’ny taranaka mihitsy izy ireny ho an’ny Malagasy. Izany hoe, sady miteraka no mitaiza ary manabe ny taranany. Fahalalana voajanahary tamin’ny Malagasy io fa tsy nianarana tamin’ny vahiny. Ampahana andraikitra ihany no iantsorohan’ny lehilahy raha eo amin’ny fanabeazana mivantana ny menaky ny ainy.
Miantsoroka adidy goavana
Ao aminy no hanovozana ny hoavin’ny taranaka. Mamy ny loharano, mandry ivohon’ny vato ny fianakaviana, fiarahamonina, sns, fa hanan-taranaka vanona. Miantoka ny ampahany lehibe indrindra amin’ny hoavin’ny taranany ny vehivavy, teo amin’ny Malagasy.
Izany hoe, ny hoavin’ny firenena iray manontolo mihitsy, fa tsy ny fianakaviana na fiarahamonina ihany no eo am-pelatanan’ny vehivavy raha mbola voatazona ilay foto-pisainana malagasy nametraka azy ireo ho loharanon’ny taranaka. Amin’ny maha loharanon’ny taranaka azy, nomen’ny Malagasy ny hasina sy ny toerana sahaza azy ny vehivavy.
Nopotehin’ny vahiny…
Malagasy : tsy mety ny vehivavy fotsy varavarana. Vahiny : mila mivoaka ny trano miasa ny vehivavy. Tairiny ny vehivavy haka ny toeran’ny lehilahy : « ny vehivavy, fanaka malemy », « ny vehivavy, kofehy manara-panjaitra »… Nanana ny akony goavana tamin’ny vehivavy malagasy ireny ka niady laharana amin’ny lehilahy izy ireo !
HaRy Razafindrakoto