Vokatr’ilay faritr’andro ratsy: Hanonja ny ranomasina any avaratra atsinanana

Tombanana ho mafy ny fitsokan’ny rivotra any amin’ny morontsiraka avaratra atsinanan’ny Nosy, noho ny fisian’ilay fiforonana rivodoza ao avaratra atsinanan’i Mada­gasikara. Tombanana ho 35 hatramin’ny 50 km isan’ora, eo anelanelan’i Toamasina sy ny tanjona Angotsy. Haha­tratra hatramin’ny 70 km isan’ora na 80 km indraindray eo anelanelan’i tanjona Angotsy sy ny Bobaomby. Manom­boka anio ka hatramin’ny alahady ho avy izao ny fampitandremana miloko mavo ho an’ireo toerana rehetra voalaza etsy ambony.
Mety hiteraka faharendrehana an-dranomasina sy fahasarotan’ny fifamoivoizana ny herin’ny tafiotra ary hampikorontana ny asa aman-draharaha andavanandro, hoy ny fanambaran’ny foibe famantarana ny toetry ny andro.
Tombanana hikorontana ny toetry ny andro any an-dranomasina any amin’ny morontsiraka avaratra atsinanan’ny Nosy, manomboka anio, noho ny fisian’ilay fiforonana rivodoza ihany ka hiteraka alondrano avy atsinanana izany. Hahery ny ranomasina ka tombanana hatramin’ny 4m ny haavon’ny onja. Manom­boka anio ka hatramin’ny alahady ny fampitandremana miloko mavo eo anelanelan’ny tanjona Bobaomby sy Toa­masina. Mety hiteraka fiakaran’ny ranomasina amin’ny toerana mora tondraka ny zava-misy.
Tombanana hanakaiky ny tapany avaratry ny Nosy, manomboka anio ilay faritr’andro ratsy. Vinavinaina ho an­tonony ny herijika hahalasa rivodoza ity faritra andro ratsy ity ny faran’ny herinandro izao.

Vonjy

Partager sur: