Tonga nitsidika ny Institut national du tourisme et de l’hôtellerie (INTH) Ampefiloha, tamin’ity herinandro ity, ny minisitry ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa, niaraka tamin’ny minisitry ny Fizahantany sy ny asa tanana. Tanjona ny hanomezana fampiofanana manara-penitra ho an’ny tanora malagasy amin’ny alalan’ny fanarenana sy fanatsarana ny ivontoeram-pampiofanana.
Nisy fanaovan-tsonia fifanarahana fiaraha-miasa teo amin’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa sy ny orinasa Colas. Notarihin’ny tale jeneralin’ny orinasa Colas, Ferrazi Richard, izany. Fifanarahana hanamafy ny fampiroboroboana ny fanofanana arakasa matanjaka sy mivoatra no tanjona, ho fampiharana ny fiofanana mifandimby. Mikendry ny hanamora ny fampidirana ireo tanora eo anivon’ny fampianarana teknika amin’ny tontolon’ny asa, amin’ny alalan’ny fampifandraisana akaiky ny fiofanana sy ny zava-misy eny amin’ny orinasa izany.
204 ny fizaham-pahasalamana sy ny fandraisana an-tanana natao ho an’ireo traboina eo anivon’ireo toeram-pandraisana ao amin’ny kaominina Morondava, nanomboka ny herinandro lasa teo, taorian’ny fiakaran’ny rano. Nisy olona telo tsy maintsy nentina maika teny amin’ny hopitaly CHRR/HMP. Nisy koa ny fidinana ifotony nizarana ireo tohana sy vatsy ary fitaovam-pidiovana teny amin’ny EPP Ampasy sy EPP Namahora avaratra.
Nampahafatatra ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa fa manana vehivavy mpampianatra mpikaroka 606 ary vehivavy mpikaroka mpampianatra 167 i Madagasikara. 95 320 ny tanora vehivavy mandrato fianarana ambony eny anivon’ ny oniversite miankina amin’ny fanjakana sy ireo miahy tena. Sivy ny vehivavy manana andraikitra ambony eo anivon’ny minisitera.