Nanao tatitra momba ny fandraisana anjaran’ny tanora nandritra ny fivoriana iraisam-pirenena telo (COP 29, COP16 karazany roa) momba ny fiarovana ny zava-mananaina, ady amin’ny fiovan’ny toetr’andro sy ny ady amin’ny fiitaran’ny tany efitra ny taona 2024 ny Aika. Tambajotran’ny fikambanana, ONG sy orinasa misehatra amin’ny fiarovana ny tontolo iainana, omaly, teny Anosy no nanatanteraka azy. Andraikitry ny tanora ny fanomanana ny fivoriana sy ny fikarakarana samihafa mialoha ny fanatrehana ny fivoriana iraisam-pirenena. Nanaraka akaiky ny fivoaran’ny fifandresen-dahatra iraisam-pirenena natao nandritra ny fivoriana telo koa izy ireo, araka ny fanazavan’ny mpitarika ny Aika, Andrianirina Lucky. Ary farany ny fanaovana ny tatitra ho an’ny olom-pirenena tsirairay rehefa miverina an-tanindrazana.
Nampiavaka an’i Madagasikara ny fiaraha-miasan’ny governemanta sy ny tanora nandritra ny fivoriana telo natrehina. Niditra tamin’ny sehatra rehetra azony natrehina izy ireo naka hevitra sy nanome tolo-kevitra ho an’ny mpanao ady sisika nitondra ny feon’i Madagasikara nandritra ny fifandresen-dahatra iraisam-pirenena. Nahomby ny fomba fiasa satria voatendry hitarika ny ady sisika i Madagasikara momba ny fomba hanatsarana ny enti-manana hiarovana ny rohivoahary eto Madagasikara sy maneran-tany.
Vonjy