Tratra ambodiomby teo am-panaovana ny asa ratsiny i Lefidy sy Rabemazaka tao Ankerika, distrikan’Antsohihy. Naharay antso mahakasika azy roalahy ireto ny zandarimaria ao an-toerana nilaza fa nihaodihaody tao Ankerika izy ireo. Raikitra ny fidinana ifotony sy ny fifanenjehana. Araka izany, tsy nanam-po ireto dahalo fa niova ny paik’ady noentin’ny zandary nisamborana azy ireo. Vokany, raikitra ny fifanjevoana. Voatery nampiasa basy ny mpitandro filaminana ka samy lavo izy roalahy, dahalo ikoizana ireto.
Malaza ratsy sy mampitondra faisana ireo vahoaka ao amin’ny distrikan’Antsohihy sy Analalava ary Bealanana amin’ny halatr’omby sy ny fanafihana mitam-piadiana i Lefidy sy Rabemazaka. Tsy nitsitsy azy roalahy koa ny mpitandro filaminana nandritra ny fisamborana. Nisento tokana sy nankasitraka ity vokatra ity ny mponina ary naneho fisaorana ny zandarimariam-pirenena tamin’izany.
Henintsoa H.