Randriamiandrisoa Nicolas no tena anarany ary fantatra amin’ny solon’anarana hoe Nicolas Ragonz. Ny taranja Taekwondo no nahafantarana azy ary efa aman-taonany maro izy no nilona tao amin’ity taranja ity. Nanomboka ny taona 1992 i Maître Nicolas no nanao Taekwondo ary 6è DAN WT izy ankehitriny. Izany hoe, efa 32 taona izao no niangaliany ity taranja ity ary tena mbola ao anatin’ny heriny tanteraka izy. Satria, mbola miatrika fifaninanana maro foana hatramin’izao. Fony mbola teto Madagasikara, tao amin’ny klioban’ny AATKD tao Ampefiloha izy no novolavolaina sy nampivoatra ny teknikany. Rehefa nandeha tany Frantsa kosa, nanana ny kliobany tao Nantes i Nicolas dia ny “Randriam Taekwondo Basse Goulaine”. Manome fiofanana isam-bolana, Randriamiandrisoa Nicolas ary anisan’ny tena hahafahantarana azy ihany koa io resaka fampiofanana io. Fampiofanana hanomanana ny fampiakarana grady sy fampiofanana hanomanana fifaninanana no tena iandraiketany. Mpitsara fifaninanana ihany koa, i Nicolas Ragonz. Tsy ny tany Frantsa ihany no nomen’ny Maître Nicolas fampiofanana fa nisitraka izany ihany koa ny teto Madagasikara. Anisan’izany ny tamin’ny taona 2018, izay nanomezana ny fiofanana natokana ho an’ny mpitsara. “Stage Technique et arbitrage” no nomeny ireo mpitsara malagasy tamin’izany, nandritra ny telo andro. Nisy ihany koa ny “stage Poomsae” nomen-dRandriamiandrisoa Nicolas ny taona 2023 ho an’ny mpikatroka malagasy. Tafiditra tao anatin’ny fanomanana ny Lalaon’ny nosy 2023 ity fifampizarana nataony ity ary anisan’ny tena nahazoan’ny atleta malagasy teo amin’ny taranja Taekwondo vokatra tsara tamin’ny Lalaon’ny nosy ny fahaiza-manao nampitainy.
Efa nitsara fifaninanana iraisam-pirenena
Fifaninanana telo no tena nanamarika an-dRandriamiandrisoa Nicolas teo amin’ny taranja Taekwondo. Voalohany amin’izany, ny nahazoany ny tompondakan’i Afrika tamin’ny taona 2022, tany Kigali. Faharoa, ny naha voahosotra ho tompondaka tamin’ny Lalaon’ny nosy teto Madagasikara, ny taona 2023. Anisan’ny tena zava-dehibe sy nanamarika azy ihany koa ny naha voatendry azy ho mpitsara ny fiadiana ny tompondaka maneran-tany, taranja Poomsae tany Hong Kong, tamin’ny taona 2024. Efa nandray anjara tamin’ny fifaninanana iraisam-pirenena maro, Randriamiandrisoa Nicolas. Anisan’ny fahatsiarovana tsara indrindra ho azy, ny nandraisany anjara tamin’ny fiadiana ny tompondaka maneran-tany, tany Vladivostok, ny taona 2011. “Ambiance incroyable”, hoy izy mitantara. Fahatsiarovana ratsy ho azy kosa ny valanaretina Covid 19 nahazo azy, tamin’ny taona 2022, izay mbola tena tao anaty fifaninanana mihitsy izy no tratrany.
Hanomana ny lalao Olympika 2028
Na dia somary maka aina kely aza amin’ity taona ity, ho an’ny lafiny fifaninanana, fanamby goavana no miandry an-dRandriamiandrisoa Nicolas amin’ny taona 2026, raha ny nambarany. Hanomana sahady ny lalao Olympika 2028, izay hatao any Los Angeles mantsy izy, manomboka ny taona 2026. Eo ihany ny fanomanana ireo atleta eo anivon’ny kliobany, hiatrika ny fifanintsanana hahazoana ny tapakilan’ny lalao Olympika 2028.
Tsy ampy ny hoenti-manana
Naneho ny heviny mahakasika ny taranja Taekwondo eto Madagasikara, ity mpikatroka milaravinahitra any Frantsa ity. “Manana ny maha izy azy ny Taekwondo malagasy ary tokony hivoatra”, hoy ny nambaran-dRandriamiandrisoa Nicolas. Olana anefa, hoy izy ny tsy fahampian’ny hoenti-manana hampivoarana ilay taranja sy ny mpikatroka. Efa mivoatra be, hoy izy, ny mpikatroka ny taranja Taekwondo maneran-tany amin’izao ary tsara ny manaraka izay fivoarana izay.
Nanatontosa: Miarintsoa Raz.