Rugby – «Sevens challenger series»: Tafita ho any Pologne ny Makis de Madagascar

Manohy ny lalany amin’ny fiadiana ny «sevens challenger series», taranja rugby lalaovina olona 7 ny Makis de Madagascar, lehilahy. Tafiditra ao anatin’ireo firenena valo voalohany, nahazo ny tapakila hiatrehana izany ny Malagasy taorian’ny fahavitan’ireo dingana roa natao.

Tontosa ny sabotsy 8 marsa lasa teo, tao amin’ny kianja Athlone Sport Stadium, Cape Town Afrika Atsimo ny fihodinana faharoa, niadiana ny «sevens challenger series», taranja rugby ho an’olona 7 sokajy «sénior», lehilahy. Nahazo ny tapakila hiatrehana ny dingana manaraka atao any Pologne ny 11 sy 12 avrily ho avy izao ny Makis de Madagascar. Nahazo isa 14, taorian’ny dingana roa natao ary nitana ny laharana fahafito. Marihina fa manohy ny fifaninanana ireo firenena 8 voalohany.
Raha tsiahivina, ny vokatry ny lalao azon’ny Makis, tamin’ny fihodinana faharoa notanterahina ny zoma 7 sy ny sabotsy 8 marsa lasa teo. Nitana ny laharana fahatelo, tao amin’ny sokajy «C» nisy azy rehefa resin’i Georgie, tamin’ny isa 27 no ho 19 ary lavon’i Allemagne, tamin’ny isa 28 no ho 12.
Voatery niatrika ny fiadian-toerana fahasivy ny Makis ka nandresy nisesy an’i Ougandà tamin’ny isa, 33 no ho 17 ary nanilika an’i Hong-Kong Chine, 24 no ho 10. «Voahitsy ny lesoka teo amin’ny lalao natao ny zoma, izay nisian’ny fikoropahana betsaka teo amin’ireo mpilalao teny ambony kianja. Teo koa ny tsy fahafehezana ny lalàna tao anaty «ruck»», hoy i Razily mpanazatra ny Makis de Madagascar.
Mahakasika ny tohin’ny fifaninanana hatao any Pologne, afaka iray volana. Nambarany fa hohamafisina sy hampitomboina betsaka ny fanazarantena. Satria, fohy ny nanomanana ny tao Afrika Atsimo. Nandrombaka ny medaly volamena tamin’ity, i Canada.

Tompondaka

Filaharan’ireo firenena 12 : 1-Canada (34) ; 2-Allemagne (34) ; 3-Portugal (32) ; 4-Chilie (28) ; 5-Samoa (26) ; 6-Japon (20) ; 7-Madagascar (14) ; 8-Tonga (13) ; 9-Ouganda (10) ; 10-Georgie (8) ; 11-Hong-Kong Chine (7) ; 12-Bresil (2)

Partager sur: