Smatchin : Resin’ny Emit 41 no ho 32 ny ITU

Niditra tamin’ny andro fahatelo, omaly, ny fifaninanana Smatchin, taranja basikety, andiany faha-11. Fifanina­nana tanterahina etsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina sy eny amin’ny Kianja Barea Mahamasina, nanomboka ny zoma 7 marsa lasa teo. Lalao anisan’ny notontosaina, omaly, ny fihaonan’ny ekipan’ny ITU sy ny Emit ary nivoaka ho mpandresy tamin’ny isa 41 no ho 32 ity farany. Nisongadina ity lalao ity satria anisan’ny mandrafitra ny ekipan’ny Emit, i Hasina, mpilalaon’ny Ankoay nandritra ny fifanintsanana ny Afrobasket natao teto Mada­gasikara, farany teo. Nam­piseho ny talentany mihitsy i Hasina tamin’ity lalao voalohany ity ary nahazo isa 15 izy nandritra io fifanandrinana tamin’ny ITU io ary voahosotra ho mampidi-baolina be indrindra. Tsiahivina fa ny sabotsy teo no nanatanterahana ny fanokafana ofisialy ny fifaninanana Smatchin andiany faha-11.
Talohan’izay, ny ekipan’ny Aceem sy ny U-Magis (tompondaka 2024) no nifanandrina. Nampitolagaga ny rehetra ny nandavoan’ny Aceem ity ekipa tompondaka ity, tamin’ny isa 51 no ho 49. Etsy ankilany, mizotra araka ny tokony ho izy ihany koa ireo fifaninanana hafa, toy ny “dunk”, “dance contest” sy ireo fifaninanana hafa efa nahafantarana ny Smatchin hatramin’izay. Mbola hitohy ny lalao fifanintsanana isam-bondrona ho amin’ny anio hatramin’ny 12 marsa izao, mialohan’ny hahatongavana amin’ny dingana farany, manomboka ny alakamisy 13 marsa.

Mi.Raz

Partager sur: