Nifarana ny faran’ny herinandro teo, ny fiadiana ny amboaran’ny klioba tompondaka eto amin’ny faritra faha-7, taranja Volley ball, natao tany Maorisy. Voahosotra ho tompondaka lefitra ny GNVB (Gendarmerie Nationale de Volley Ball) lehilahy, rehefa resin’ny Gecko Volley ball (TGV) tamin’ny seta 3 no no 1 (25-19/23-25/25-22/25-21), teo amin’ny lalao famaranana, omaly. Nifandanja ny lalao teo amin’ny roa tonta ary azo lazaina fa voatsindrin’ny ekipa malagasy tsara mihitsy ity ekipa Renioney voahosotra ho tompondaka ity. Saingy, hita taratra ihany ny harerahan’ny Malagasy mpilalao teny ambony kianja. Nivoaka ho mpandresy noho izany, ny TGV avy any La Réunion.
Teo amin’ny sokajy vehivavy kosa, laharana fahefatra no misy ny GNVB, vehivavy. Votsotra ny medaly alimo. Ny harerahana no tena hita teny amin’ireo mpilalao tamin’ity lalao fiadian-toerana fahatelo ity. Tsy tafiditra intsony ry Hoby sy ny namany. Na izany aza, niezaka nanohitra ihany izy ireo saingy very maina izany ka niondrika tamin’ny seta 3 no ho 0 (25-15/25-22/25-17) nanoloana ny City Ladies ny GNVB, vehivavy. Tsiahivina, ekipa 3 no solontenan’i Madagasikara tamin’ity CCCZone 7, andiany faha-29, natao tany Maorisy ity. nahitana ny GNVB, lehilahy, ny GNVB, vehivavy, ary ny Squad X, vehivavy.
Mi.Raz