Manomboka izao dia tsy hitsahatra ny hanentana ny ray aman-dreny handefa ny zanaka vavy any an-tsekoly ny vadin’ny filoham-pirenena Rajoelina Mialy. Fanalahidin’ny fampandrosoana ny fampianarana ireo tovovavy.
Nampiakatra ny fahatokisan-tena sy fikirizana ao anatin’ny vehivavy ny vadin’ny filoham-pirenena, Rajoelina Mialy, nandritra ny lahateniny tao Mahajanga, ny sabotsy teo, tao anatin’ny fanamarihana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny zon’ny vehivavy. Manan-danja ny vehivavy, tsy mora soloina, tsy mora hadinoina. Miantoka ny fampandrosoana ny firenena ny fampianarana ireo tovovavy.
Fotoana hanairana ireo mbola matoritory izao. Nasongadina ny ankizivavy satria afaka mitondra fanovana. Manana ajara toerana ary manan-danja ny faniriany. Ny ray aman-dreny no tompon’ny fanalahidy. Hanentana ny vadin’ ny filoham-pirenena mba hampianarana ireo ankizivavy rehetra fa tsy ho atao ankilabao. Mila tohana izy ireo. Matsilo saina ny ankizivavy ary matetika voalohany any ampianarana.
Aza terana hanambady aloha loatra ny ankizivavy fa aleo izy ireo hitondra fanovana izao tontolo izao toy izay ovain’izao tontolo izao amin’ny tsy rariny, hoy hatrany ny vadin’ny filoham-pirenena.
Nisy ny fanofanana momba ny haitarika sy fandraharahana nomena ireo vehivavy manerana ny Nosy. 1 500 izy ireo no nisitraka izany. Vonona hilofo, hivoatra sy hiavotra amin’ny fiainana. Nanadio ny torapasika ary nanatsara ny tanàna amin’ny fambolena coco. Ankoatra izany ny hetsika fiarovana ny tontolo iainana tamin’ny fambolena ala honko. Iveloman’ny mpanjono, mitahiry carbone izy ireny.
Mariky ny fandraisan’andraikitry ny vehivavy amin’ny sehatry ny fampandrosoana avokoa izany.
Notokanana ny ivontoerana fihainoana sy fandraisana an-tanana ireo iharan’ny herisetra.
Toerana fanantenana sy fanoitra ho an’ny ampitso, hahazoana torohevitra sy tohana ara-psykolojika…
Nisitraka fampiofanana koa ireo ankizivavy mpianatra miisa 300 ao Mahajanga tamin’ny tetikasa Hope. Nianatra momba ny fahatokisan-tena izy ireo. Nampahafantarina azy ny dingana tanterahina. Natoro azy ireo ny hahatongavana ho olom-pirenena ho sahy sy mijoro. Nomena torolalana ny fandraisana safidy. Mila sahy manohitra ny fanararaotana sy herisetra.
Tatiana A