Niavaka ny nankalazan’ny fiangonana Advantista, ao Alarobia Ambatomanga, distrikan’Ambohimangakely ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny vehivavy, ny sabotsy 8 marsa lasa teo. Koa satria nifanindry tamin’ny andro sabata izany dia fitondrana am-bavaka ireo andriambavilanitra tao an-toerana sy ireo vahiny nasaina no natao. Nikarakara ny hetsika ny fikambanana Ministère de la femme (Mifam). Tenin’Andriamanitra nifampaherezana ny ohabolana toko faha-31 andininy faha-10 manao hoe : «Iza no mahita vehivavy tsara ? Fa ny tombany dia mihoatra lavitra noho ny voahangy». Nitondra ny hafatra fampaherezana, Razafimahatrara Elysée, atleta malagasy tompondakan’i Madagasikara teo amin’ny «marathon», sady mpikambana ao amin’ny Mifam. Noraisiny ho ohatra ny asa tsara sy ny fikirizana nataon’i Estera.
Nambaran-dRakotoarison Clarisse Aimée fa tena ilain’ny vehivavy ny fampaherezana, amin’izao fotoana sarotra izao, noho ireo herisetra sy fijaliana samihafa. Nohamafisin-dRakotondranaivo Sabine fa ankoatra izay, nomena fiofanana sy fampianarana koa izy ireo, ho tonga vehivavy matahotra an’Andriamanitra, hendry ary hahaleo tena, afaka hanampy ny vadiny sy hamelona ny ankohonany. Nozaraina fehezam-boninkazo sy tenin’Andriamanitra ireo vehivavy ary vatomamy ho an’ny mpanatrika rehetra. Nofaranana tamin’ny fiaraha-misakafo ny fotoana.
Vonjy A