Makis Sevens : Hiatrika fampivondronona

Nigadona tetsy Ivato, omaly tamin’ny 4 ora tolakandro, ny Makis Sevens izay niatrika ny fifaninanana tany Afrika Atsimo, ny 1 hatramin’ny 8 marsa lasa teo. Araka ny fanadihadiana natao tamin’ny filohan’ny Malagasy Rugby, Rakotomalala Marcel, hiatrika fampivondronana avy hatrany izy ireo manomboka ny alakamisy ho avy izao, raha tsy misy ny fiovana farany. Tonga nitsena azy ireo teny an-toerana, omaly, ny solontenan’ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena (MJS). Tsiahivina fa amin’ny volana avrily, ho any Pologne hiatrika ny fifanintsanana hiadina ny tapakila handehanana any Los Angeles ny Makis.
Naneho ny heviny mikasika ny zava-bita tany Afrika Atsimo ny tomponandraikitra. “Misy ny fanitsiana amin’ny resaka teknika. Nampiavaka ny Malagasy mpilalao kosa ny hazakazaka sy ny fomba filalaovana baolina ary ny plaquage”, hoy Rakotomalala Marcel, filohan’ny Malagasy Rugby. “Lesoka ho antsika ny fikoropahana. Hiezaka izahay ny hanarina izany », hoy kosa i Mboazafy, mpanazatra ny Makis Sevens.

Fitia Randria

Partager sur: