Hotanterahina eo amin’ny Kianja Barea Mahamasina, ny 26 marsa ho avy izao, ny lalao ara-pirahalahiana “Alefa Madagascar 2025”, hihaonan’ny Team des Héros, ivondronan’ireo kalaza any ivelany, sy ny Madagascar All Stars, ikambanan’ireo olo-malaza eto an-toerana. Tsiahivina fa ity hetsika ity hiarahan’ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena (MJS) sy ny orinasa Yas Madagascar, ny Soka Club ary ny Vivo Energy Madagascar manatanteraka. Tanjona ny hananganana fotodrafitrasa ara-panatanjahantena maro eto Madagasikara. Anisan’izany ny fanamboarana kianja sy efitrano fiomanana eny amin’ny CEG Ambohipo. Ankoatra izay, hitsirika EPP maro eto an-toerana ireo vahiny ary hifampizara sy hampita amin’ireo ankizy ny maha zava-dehibe ny fianarana sy ny fanatanjahantena. Ampahafantarina ihany fa vahiny mpilalao maro no ho tonga eto Madagasikara mandritra ity hetsika goavana ity. Toa an-dry Robert Pires, Alain Giresse, Jay Jay Okocha, Gervinho, Amine Radi, Govou, Adebayor, Laura Georges. Ho an’ny Malagasy kosa, ho tazana eny ambony kianja ireo mpilalaon’ny Barea teo aloha, anisan’izany ry Voavy Paulin, Faneva Ima, Abel Anicet, miampy an-dry Nina, sy i Muriel Hajanirina, mpilalaon’ny Ankoay, vehivavy. Ho hatevenin’ireo artista malagasy: Shyn, Oboy, Ceasar, Oladad.
Fitia Randria