Fivama : “Iankinan’ny fahaleovantena ny fahatokisan-tena”

Nanamarika ny Andron’ny vehivavy ny fikambanan’ny Vaiavy Mandritsara eto Anta­nanarivo (Fivama), ny faran’ny herinandro teo, tetsy Andra­nomena. Fampiofanana sy fizarana traikefa no nataon’ny samy mpikambana niaraka tamin’ireo matihanina amin’ny fizarana fahaiza-manao tamin’izany.
“Antoky ny fahaleovantena ny fananana fahatokisan-tena, izany indrindra ny anton’ny fampiofanana ireo mpikambana”, hoy ny filohan’ity fikambanana ity, Razafindrafotsy Joela Martine.
Ampiakarina ny fahatokisan-tena ao anatin’ny vehivavy, ahafahany mivelatra sy mandray fanapahan-kevitra hampandrosoany ny fiainany. Vehivavy mahita fifaliana sy mitondra fampandrosoana ary manana fizakan-tena tanteraka ny tanjona.
Tetsy andaniny, nampianarina hahafehy ny fomba firesaka imasom-bahoaka ihany koa ireo vehivavy mpikambana. Zava-dehibe ny fahaizana mijoro sy maneho hevitra ampahibemaso hahafahana miavaka amin’ny hafa sy manambara ny hevitra tiana hasongadina.
Nofanina momba ny fisorohana ny karazana herisetra ihany koa izy ireo, indrindra ny mahakasika ny maha lahy na ny maha vavy. Nifampizara traikefa tamin’ny resaka fandraharahana sy fahaleovantena ara-pihariana ihany koa ireo mpikambana.
Mikatsaka hatrany ny fampivondronana ireo vehivavy avy any Mandritsara mpilaravinahitra eto Antananarivo ny Fivama ary mikolokolo ny mpikambana hitombo traikefa sy hahalala hatrany ny fisian’ny fampandrosoana.

Tatiana A

Partager sur: