Tombanana hiverina an-dranomasina indray ilay rivodoza Jude manomboka ny alakamisy vao maraina ary manambana ny morontsiraka atsimo andrefan’ny Nosy. Hiteraka alondrano any amin’ny morontsiraka afovoany andrefana sy atsimo andrefana izy manomboka ny alakamisy. Hahery ny ranomasina ka hahatratra 4m ny haavon’ny onja ny alakamisy, eo anelanelan’i Besalampy sy Toliara.
Notokanana sy natolotry ny vadin’ny filohan’ ny Repoblika ho an’ireo vehivavy sy tovovavin’i Mahajanga, faritra Boeny, ny herinandro lasa teo, ny “Safe Space-Tranon’ny viavy Mandroso » ahitana tolotra marolafy. Anisan’izany ny sehatra ahafahana mianatra sy mifandray amin’izao tontolo izao amin’ny alalan’ny teknolojia. Misy toerana ho an’ny vehivavy koa hifaneraserana, hifampizarana traikefa ary hananganana tambajotra sosialy matanjaka sy fiofanana ho an’ny fivelomana ary ny asa madinika…
Manome fiofanana ho amin’ny famonjena voina ho an’ireo mpianatry ny Lycée ny kaominina Antananarivo Renivohitra. Lycée 20 eto Antananarivo no hanatanterahina izany, iarahana amin’ny Lion’s Club sy ny sampana mpamonjy voina. Tanjona ny hifehezan’ny mpianatra ireo fihetsika fototra tokony hatao rehefa misy loza mitranga mba hiarovany tena sy hiarovany ny manodidina azy.
Fampaherezana sy fanampiana ireo vehivavy mifonja no nentin’ny faritra Anôsy nanamarihana ny Andron’ny vehivavy. Nitarika ireo mpiara-miasa tamin’izany ny governora Rakotovelomanantsoa Voahary. Mariky ny fifampizarana fitiavana ho an’ireo vehivavy voafonja hahafahan’izy ireo mizaka tena sy miarina no tian-kaseho tamin’izao hetsika izao.