Fanatsarana an’Antananarivo: Skoto 18 000 hifanolo-tanana amin’ny CUA

Nanao sonia fifanarahana fiaraha-miasa ny kaominina Anta­nanarivo Renivohitra sy ny fikambanana skoto nasionaly, ny fikambanan’ny Mpanazava, ny Hetsika skoto, ny Tanora advantista ary ireo skoto anarivony maro. Haharitra herintaona ny fiaraha-miasan’izy ireo. Tanjona ny hampirisihana ny mponin’Antananarivo handray ny andraikiny ho olom-pirenena tomponandraikitra. Manodidina ny 18 000 ireo skoto handray anjara amin’ny hetsika mikendry ny hanarenana sy hanatsarana ny tanànan’Antananarivo. Efa nisy skoto 1 200 nandray anjara an-tsitrapo tamin’ny fanampiana sy fanaraha-maso ireo traboina taorian’ny fandalovan’ny rivodoza lasa teo iny.
Maro ny sehatra ho voakasiky ny fiaraha-miasa. Anisan’iza­ny ny fiarovana ny tontolo iainana amin’ny alalan’ny fambolen-kazo, ny fanentanana, ny fanadiovana… Hisy fiheverana manokana ho an’ny olona marefo amin’ny alalan’ny hetsika fanentanana, fialamboly, fiofanana ary fanabeazana. Tena ilaina ny fampandraisana anjara ny mponina ho tomponandraikitra amin’ny tanànany hadio sy ho maitso ary milamina sy mirindra.

Tatiana A

Partager sur: