INDRAY MIJERY

Raha ny tatitra avy amin’ny minisitry ny Fah­a­salamam-bahoaka, maherin’ny 6 000 ny olona tonga nanatona ny Caravane médicale tao Mahajanga, ho an’ny tapakandro maraina fotsiny, ny herinandro lasa teo. Manodidina ny 12 000 ireo noraisina an-tanana tamin’ireo toerana telo efa nandalovan’izy ireo tamin’ny lalam-pirenena fahefatra. Ny aretin’ny maso, aretin’ny reny sy ny zaza amin’ny ankapobeny no tena nilaharana nandritra izany andiany faha-32 izany.
Notontosaina tamin’ity herinandro ity, tao amin’ ny Carlton Anosy, ny fanolorana tamin’ny fomba ofisialy ny “Référentiel de formation” ho an’ny sehatry ny asa “Chef d’équipe hébergement”, izay novolavolaina nia­raka tamin’ny minisiteran’ny Fizahantany sy ny asa
tanana sy ny AFD ary ny IECD. Fanamafisana ny fahaiza-manao eo amin’ny sehatry ny fandraisam-bahiny eto Madagasikara miaraka amin’ny minisiteran’ny Fampia­narana teknika sy fiofanana araka asa izany.
Nanamarika ny Andro maneran-tany ho an’ny zon’ny vehivavy, ny faran’ny herinandro teo, tao amin’ny Africa Asia ny fikambanana Destiny Ivato, tarihin’ny vadin’ny ben’ny Tanàna, Penjy Randrianarisoa. Fifana­kalozana ara-kolontsaina tamin’ireo masoivoho nano­trona no natao tamin’izany.
Nivadika nangatsiaka tampoka ny andro ary be­tsaka ireo olona marefo no tsy mahazaka izany. Kohoka sy sery na tsy fahazakana toetr’andro no betsaka handehanan’ny olona any amin’ny dokotera. Mila mitandrina ny ankizy madinika sy ny zokiolona ary ireo manana aretina mitaiza.

Partager sur: