Nisitraka fiofanana mahakasika ny fandaharanasa “Sandwatch sy Kit Mad’ErE” ny mpampianatra any amin’ny faritra Menabe, tamin’ny herinandro lasa teo. Nahazo izany ny mpampianatra avy amin’ny sekoly dimy ao amin’ny Cisco Morondava. Ankoatra izay, samy notolorana fitaovana Kit Sandwatch sy Kit Mad’ErE avokoa ny sekoly dimy ahitana ny CEG Centre, CEG Ankisirasira, EPP Anosikely, EPP Betania ary EPP Morondava Centre. Tanjona ny hampiroboroboana sy hanatsarana ny kalitaon’ny fanabeazana ara-tontolo iainana, indrindra ny tontolo amorontsiraka, manoloana ny fiovan’ny toetr’andro. Eo koa ny hanamorana ny hisian’ny fanjohiana arahana tantsoroka manakaiky ny mpampianatra. “Antenaina ny hisian’ny tombana ahafantarana ny vokatra entin’ny fandaharanasa eo amin’ny kalitaon’ny fanabeazana sy eo amin’ny tontolo iainana amin’ny ankapobeny”, hoy Rasolondrainibe Miandrisoa Maxime, Chargé de Programme du secteur éducation -ComNat/Unesco. Irina ihany koa ny hitohizan’ny fandaharanasa any amin’ny faritra hafa mbola tsy nisitraka izany. Marihina fa nitarika ny fanatanterahana ny fandaharanasa ny vaomieram-pirenena malagasy ho an’ny Unesco (ComNat/Unesco) sy ny Centre de recherche en éducation environnementale (Cree). Manohana izany kosa ny tetikasa Recos sy ireo mpiara-miombon’antoka maro toy ny AFD, CIO, FFEM…
Mino