Manao ny tatitra ny diany any New York ny minisitry ny Mponina amin’ny fihaonana “CSW69”. Misy ireo lalàna maro, ny ezaka sy paikady nofaritana nahafahana nampihatra ny fanamby. Voaresaka ny politika nasionaly amin’ny fampandrasaina anjara ny fampitovian-jo ny lahy sy ny vavy izay efa vita ankehitriny ary ho ampiharina ny taona 2025-2035. Miandry ny fanapahan-kevitra eo amin’ny governemanta ny fahafahana mampihatra azy indrindra ny drafitrasa mandritra ny 5 taona.
Maro koa ny ezaka tsy maintsy hatao amin’ny fiarovana ny tontolo iainana, fiarovana amin’ny ady amin’ny herisetra… Nahafahana mihaino ny traikefan’ny firenena hafa ny fihaonam-bem-pirenena toy izao, hoy ny minisitra Razafinjato Aurélie. Hahafahana mandrefy hoe aiza ho aiza i Madagasikara raha miohatra amin’ireo firenena samihafa hahafahana miroso amin’ny dingana.
Misy solontena ihany koa ny antenimierampirenena vehivavy any New York. Fotoana nahafahana nihaino ny lentan’ny firenena hafa miohatra an’i Madagasikara izao. Hamantarana ny ezaka tokony hatao ihany koa.
Tatiana A