Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny kianja Cnaps Vontovorona, ny fankalazana ny Andro iraisam-pirenena Afrikanina ho an’ny skoto. Hetsika andiany faha-15 izay tentarahina eto Madagasikara. « Ahafahana mandrefy ny fahafahan’i Madagasikara handray ny fivoriana lehibe izay ataon’ny skotisma ny volana septambra ho avy izao ity hetsika ity», hoy ny minisitry ny tanora sy ny Fanatanjahantena, Abdulah Marson Moustapha, teny an-toerana. Nambarany fa manana andraikitra lehibe hampandroso ny firenena ny skoto. «Ahitana vokatsoa betsaka amin’ny fiainana ihany koa ny fitaizana skoto », hoy hatrany izy.
Efa nanomboka ny 12 marsa hatramin’ny 16 marsa izao ny lasy fankalazana io Andro iraisam-pirenena io eny an-toerana. Manodidina ny 300 eo ireo mpilasy manatanteraka izany. Ahitana skoto malagasy 150 isa sy skoto avy any ivelany miisa 60. Lasy fitrandrahana ny talenta iraisam-pirenena eo amin’ny lafin’ny fandriampahalemana sy ny tontolo iainana izany. « Afaka havadika fihariana sy vokatsoa ho an’ny mpiara-monina ireo talenta trandrahina ireo, toy ny fitrandrahana ny herin’ny masoandro », hoy Ravelomanantsoa Sedera Heninkaja, filohan’ny lasy any Vontovorona.
Ho an’i Madagasikara manokana, hotanterahina etsy amin’ny Parvis Analakely ny ivon’ny fankalazana, ny sabotsy 15 marsa ho avy izao. Haranty eny an-toerana avokoa ny zava-bitan’ireo mpilasy any Vontovorona. Manodidina ny 2000 isa ireo skoto andrasana ho avy hanatrika io hetsika io.
Mino