Tafaverina ao amin’ny Lakandranon’i Mozambika, omaly maraina, ilay rivodoza Jude ary nitombo hery. Omaly maraina, tany amin’ny 660 km andrefana somary avaratra andrefan’i Morombe no nisy ny foibeny. 75 km isan’ora ny rivotra miaraka aminy arahina tafiotra 100 km isan’ora manakaiky ny foibeny. Nikisaka nianatsimo atsinanana izy ka nahafaka 22 km isan’ora. Tombanana hiditra an-tanety ao amin’ny distrikan’i Toliara I-II izy, anio tolakandro na ny alina, amin’ny tanjaka Forte tempête tropicale. Nahazo filazana loza manambana ny faritra Atsimo andrefana, Androy, Morondava ary Manja. Filazana fanairana ho an’Anosy, Ihosy, Iakora, Befotaka, Midongy Atsimo ary Vangaindrano.
Entanina ny mpampiasa ranomasina manomboka eo Besalampy ka hatrany Taolagnaro tsy hiandriaka intsony. Toy izany koa ny eo anelanelan’i Taolagnaro sy i Mahanoro manomboka anio maraina.
Misy fampitandremana miloko mavo amin’ny fiakaran’ny rano ho an’ireo mponina manamorina ny reniranon’i Morondava (distrika Morondava), Mangoky (distrika Morombe sy Manja), Fiherenana (distrika Toliary I sy II), Onilahy (distrika Betioky), Linta (distrika Ampanihy) sy ireo mponina amin’ ny faritra mora tondraka.
Vonjy