Nihaona mivantana tamin’ny mponina ao amin’ny kaominina Ivato voakasiky ny tetikasa Lac Iarivo ireo tomponandraiki-panjakana, omaly. Nitarika ny delegasiona ny sekreteram-panjakana miadidy ny Tanàna vaovao sy ny trano fonenana, Andriamanohisoa Gérard, miaraka amin’ny governoran’Analamanga Rasoamaromaka Hery, sy ireo tomponandraikitra rehetra.
Taorian’ny fanazavana natao dia niaiky ireo mponina fa nanao fanorenana tamin’ny tanim-panjakana izay voafaritry ny lalàna velona fa tsy azo amidy ary tsy azo anorenana.
Tanim-panjakana avokoa anefa no anaovana ny fanitarana ny lalana mikodana ho zotra efatra azon’ny fiara ifamezivezena malalaka ary misy ny lalan’ny mpandeha an-tongotra sy ny lalan’ny koriaran-droa. Hisy taxi-be ihany koa hitatitra ny olona amin’izany.
Iharan’ny lalàna avokoa ireo tomponandraikitra namoaka taratasy fahazoan-dalana manorina amin’ny tanim-panjakana. Fehezan-dalàna famaizana no mihatra amin’izy ireo.
Voakasiky ny fanitaran-dalana ireo trano naorina amoron-dalana izay tanim-panjakana avokoa ka tsy maintsy harodana.
Amin’ny herinandro, hisokatra eny amin’ny Lac Iarivo ny toerana fandraisana fitarainana hahafahan’ireo mponina manatitra ny fitarainany sy hihainoana azy ireo. Naroson’ny tomponandraikitra ny tetikasam-panjakana “zara-tany sy ankohonana miarina” hahafahan’ny mponina manana tany ara-dalàna.
Tatiana A