Mbola nitohy ny hetsika ataon’ny minisitry ny Fampianarana teknika sy fanofanana arakasa, Rasoloarisoa Marie Marcelline, any amin’ny faritra Analajorofo, omaly. Tao Fenoarivo Atsinanana izy no nanao ny hetsika « Fijery hafa ». Talohan’izay, nitsidika tao Foulpointe ny delegasionina ka maneho ny fahombiazana amin’ny fanofanana tanora ny CFP Foulpointe. Porofon’izany ny fahafahan’ireo mpianatra avy amin’ny ivontoerana miditra amin’ny asa avy hatrany rehefa nahavita ny fanazarana tao amin’ny Hôtel Pointe Lodge Foulpointe.
Vokatry ny fiaraha-miasa akaiky eo amin’ny roa tonta no nahafahana manome ity fahafahana ity ho an’ny tanora. Nankasitraka sy nisaotra ny CFP Foulpointe ny minisitra, noho ny ezaka ataon’izy ireo amin’ny fanofanana sy famolavolana tanora hanana fahaiza-manao, izay fitaovana enti-manatsara ny fiainany sy manampy amin’ny fampandrosoana.
Vonjy