Farmasia: Vehivavy ny 56% amin’ireo matihanina

Vehivavy avokoa ny 56% ireo farmasianina matihanina miisa 400 mahery eto Mada­ga­si­kara. Mbola ambony koa ny tahan’ny vehivavy manaraka izany lalam-piofanana izany ao amin’ny Oniversiten’ Antananarivo sy Mahajanga.
“Manaporofo izany fa mi­toetra eo amin’ny fiarahamonina ny firotsahan’ny vehivavy maro eo amin’ny taranja siantifika sy ny asa ara-pahasalamana”, hoy ny Holafitry ny farmasianina.
Fikambanan’ny farmasianina 3 ihany koa no tantanin’ireo vehivavy, anisan’izany ny Ares (Association pour le re­nouveau du secteur pharmaceutique à Madagascar), ny Upimo (Union des pharmaciens indépendants malgache d’Officine), ary ny APM (Asso­ciation des pharmaciens de Madagascar).
Mbola misy ihany anefa ny fanamby atrehin’ny vehivavy amin’ny sehatry ny farmasia. Saro-dalana koa anefa ny fampifandanjana ny asany sy ny andraikitra ara-pianakaviana ka mananosarotra ny fivoarana amin’ny lafiny fitantanana.
Azo hitarafana tsara ireo fanamby sy fahafaha-mivoatra atrehin’ireo vehivavy ny asa aman’andraikitry ny farmasianina eto Madagasikara. Mana­tan­teraka feno ny andraikiny ireo vehivavy mpiasan’ny farmasia rehefa anjarany ny mi­asa amin’ny alina na andro fety na faran’ny herinandro. Ma­hafehy ny asany amin’ny maha mpivarotra fanafody izy ireo ary manao vaindohan-draharaha ny fanavotana ny marary na tao anatin’ireny va­lanaretina ireny aza.

Tatiana A

Partager sur: