Natolotry ny minisitry ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, teny Ankatso II, tamin’ity herinandro ity, ny fotodrafitrasa fametrahana ny lavadrano ho an’ny mpianatra. Niarahana tamin’ireo mpiara-miombon’antoka Communauté musulmane Sunnite de Madagascar (CMSM) izany. Mihoatra ny 5m³ isan’ora ny rano azo vokarina ao an-toerana. Misy fitahirizan-drano mahazaka 18m³ ihany koa. Ankoatra ny rano izay azo ampiasaina ivelan’ny trano fonenana, tafiditra ao amin’ny efitranon’ny mpianatra tsirairay ankehitriny ny rano fisotro madio.
Nanatanteraka fitsidihana ara-pomba fanajana ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena ny solontenan’ny Fandaharanasan’ny Firenena mikambana momba ny sakafo (Pam), Goossens Tania, tamin’ity herinandro ity. Noresahina nandritra ny fihaonana ny fitohizan’ny fiaraha-miasa eo amin’ny roa tonta, mahakasika ny fampiroboroboana sy fampiakarana ny taham-pahaizan’ireo mpianatra any amin’ny faritra miaina ny tsy fanjarian-tsakafo sy hampitombo ny fahazotoana sy ny fifantohan’izy ireo amin’ny fianarana izany.
Nandritra ny hefarana, nanatanteraka fampiofanana mahakasika ny “fandraharahana” tany Ambatondrazaka, ny ekipan’ny Direction de la formation continue et du renforcement des capacités eo anivon’ny fitaleavana momba ny fampivoarana ny fampanana asa (DGPE). Tohanan’ny ONG Edugascar sy ny sampandraharaham-paritra Alaotra Mangoro izany. 50 ireo tanora sy mpandraharaha tonga niofana ary maro ireo tetikasa novolavolain’izy ireo nandritra izany: fambolena legioma, fanaovana asa tanana, fandraharahana momba ny vary.