Fisolokiana : lehilahy vosambotra, nilaza ho mahavita «visa Schengen»

Naiditra am-ponja vonjimaika eny Antanimora, ny alatsinainy teo, ny raharaha momba ilay mpisoloky pasipaoron’olona.

Nilaza ho mahavita pasi­paoro sy «visa Schen­gen» ny tenany ka na­na­raraotra izay sendra azy. Efa nahazo vola mitentina 4.900. 000Ar mihitsy izy ka nanjavona tsy hita popoka intsony.

Ny volana novambra teo, nifankafantatra tamina lehilahy iray ity jiolahy ity. Nilaza sy nandresy lahatra tokoa izy fa mahavita ilay pasipaoro sy “vi­sa Schengen” voalaza etsy am­bony. Vokany, nanome lelavola 600.000Ar azy ilay mpitory ha­naovany izany. Andro vitsy ta­o­rian’izay, nandefa sarina pasipaoro (sary namboarina) miso­ra­tra amin’ny anaran’ ilay lehilahy ity mpisoloky mba handresen-drahatra azy fa vitany tokoa ilay asa. Roboka ity nangataka izany ka nanome vola mitentina 800.000AR in­dray mba hanaovana ilay “visa”.

Taratasy hosoka
Niditra lalina ny raharaha. Taty aoriana kely, nitondra “let­tre d’engagement de re­tour”, “faux récépissé de prise d’empreinte”. Tao koa ny “fausse validation de visa” ary tapakila fiaramanidina elektronika hosoka misoratra amin’ny anaran’ilay lehilahy ity mpisoloky ka roboka tanteraka. Ara­ka izany, nanome vola mitentina 4.300.000Ar sy 600.000Ar hafa indray ity mpangataka asa. Azo ny vola, tsy hita intsony ilay voalaza ho mpanamboatra pasipaoro. Voasoloky sy very vola ilay lehilahy ka nitory teny anivon’ny polisim-pirenena. Natao ny vela-pandrika ka voasambotra tetsy Ampe­fi­loha, ny alakamisy 05 janoary teo, ity mpisandoka andraikitra. Mbola hita teny aminy ny karazan-taratasy hosoka maromaro sy pasipaoro iray.

Henintsoa Hani

Partager sur: