Zavakanto marolafy. Aingam-panahy sy karoka manokana, efa avy narantin’i Tsiriniaina Hajatiana Irimboahangy tany amin’ny Fondation H Paris, no harantiny indray etsy amin’ny IFM Analakely.
I Tsiriniaina Hajatiana Irimboahangy no nahazo ny loka voalohany tamin’ny “Prix Paritana 2024”,andiany fahavalo. Anisan’ny loka azony nandritra izany ny fikotrehana zavakanto tao amin’ny Cité internationale des arts tany Paris, ny faramparan’ny taona 2024. Narahina ny fampirantiana voalohany tao amin’ny Fondation H any Paris izany, izay nitondrany ny tetikasa “Ridô – Dévoiler les souvenirs”. Efa fantatra tamin’ny fanambarana ny vokatry ny fifaninanana ihany koa fa hampiranty etsy amin’ny IFM Analakely ny nahazo ny voalohany, aorian’ny any Frantsa. Araka izany, hosokafana anio ny fampirantiana “Ridô – Dévoiler les souvenirs”, entin’i Tsiriniana Irimboahangy. Hisokatra ho an’ny besinimaro kosa izany manomboka rahampitso 18 marsa, ka tsy hifarana raha tsy amin’ny 19 avrily.
Tsy diso safidy ny mpitsara matoa ity tetikasan’i Tsiriniaina Irimboahangy ity no nasongadina tao anatin’ny maro. Tetikasa maneho ny zavakanto marolafy, manasongadina ihany koa ny talenta maro ao anatin’ity mpahay kanto ity izany. Hainy ny nanambatra ny zavakanto mahazatra ny maso amin’ireo maoderina manaraka ny teknolojia. Nivelatra sy feno kokoa, rehefa nampiasany “video”, ohatra. Tsy ny endrika hanehoana ny fampirantiana ihany no miavaka, fa indrindra koa ny votoatiny. Maneho ny karazan-tadidy mitambolina ao anatiny ny mpanakanto, navoitrany amin’ ireo karazan-kanto nosafidiany mba hamoaka ny lohahevitra. Mifototra kokoa amin’ny tantarany, saingy maneho ilay fototra maha Malagasy amin’ny ankapobeny izany. Mamaka any amin’ny nipoirana mihitsy, izay vao ifangaroan’ireo tadidy manokana, hampitain’
ny kanto.
Misongadina ao, ohatra, ny horonantsary kely, maneho ny renibeny nanome tsodrano azy nialoha ny nandehanany tany Frantsa. Izay endrika fisarahana izay, manelanelana ny lasa tsy hay hadinoana sy ny hoavy mbola tsy fantatra, kanefa ihany koa mamaritra ny ankehitriny no hampiainan’i Tsirinaina Irimboangy ny sanganasany. Ilay endriky ny lambam-baravarana, natao hanakona ny anaty efitra tsy ho hitan’ny maso miranga, kanefa koa natao ahitan’ny anatiny izay miseho any ivelany, dia manamafy izay hafatra ampitain’ny mpanakanto izay. Misy tantara mifanjohy amin’ireo karazan-kanto rehetra hanehoany izany, nanamarika vanim-potoana maro, izay misy ampahany betsaka tamin’ny fiainan’i Tsiriniaina Irimboahangy. Mazava loatrafa tetikasa mitohy fa tsy mifarana, mivoatra manaraka ny fotoana izy ity. Mitombo hatrany mantsy ny tadidy, ary manaraka izay koa ny aingam-panahy azo haseho maso sy henoin’ny sofina ary raisin’ny fanahy anatin’ity tetikasa “Ridô – Dévoiler les souvenirs” ity. Anjaran’ireo mpitsidika kosa no mandray ny hampitain’ny mpanakanto ao anatin’izany.
Zo ny Aina