Saika hivarotra basy : olona dimy naiditra am-ponja

Nidoboka am-ponja ireo telo mirahalahy mianaka sy ny vehivavy roa tra-tehaky ny polisy tao Arivonimamo ny 6 janoary teo. Nikasa hivarotra basy, nanaovan’ny mpitandro filaminana vela-pandrika ireto olon-dratsy ireto. Ny alakamisy 5 janoary teo, nanao hetsika hisorohana ny tsy fandriam-pahelemana ny kaomisaria ao an-toerana. Naharay antso avy tamina tsara sitrapo arak’izany izy ireo fa misy andian’olona mikasa hivarotra fitaovam-piadiana. Voa­sam­botra tamin’izany ny olona miisa dimy. Mpianaka ny telolahy tamin’izy ireo, ary mpirahavavy ny roa hafa. Natao ny fisavana ka sarona ny basy poleta iray vita gasy. Tsy vitan’io, nahitana bala roa (9 mm) koa teny amin’izy ireo. Novidiany tamin’ny olo-tsy fantatra efa-taona lasa ity basy ity ary izao kasain’izy ireo hamidy izao indray. Niakatra fampanoavana ny raharaha ka izao niafara amin’ny fampidirana am-ponja azy ireo izao.

Tsiferana R.

Partager sur: