Toamasina : miparitaka ny basy, afenina ny valanaretina

Tao anatin’ny folo andro nanombohan’ny taona, nitrangana vonoan’olona roa sahady tao amin’
ny tanànan’i Toamasina. Misy amin’ireo olona sasany maty an-drano sy vokatry ny fisotroan-toaka…

Hatramin’ny fiatombohan’ny taona, olona roa maty nisy namono tao Toamasina. Tovovavy hita faty tao Ambalamanasy ny iray tamin’izy ireo. Nilaza hitory noho io nahafaty ny havany io ny fianakaviany saingy mbola tsy nametraka izany teny amin’ny mpitandro filaminana, araka ny nambaran’ny kaomisera Rajaobelina Herizo. Nanoloana ilay renim-pianakaviana hita faty tao amin’ny Tetezana Mainty kosa, nanamafy ny polisy fa matin’ny fitsaram-bahoaka ilay ramatoa. “Nifanenjehan’ ny olona noho izy voalaza ho mpamosavy ka matin’ny hatezeran’ny fokonolona”, hoy ny polisy. Tetsy ankilany, olona roa hafa maty an-drano tao an-toerana. Anisan’izany ilay teratany vahiny iray efa mpitantana banky tsy miankina teto amintsika. Hita faty teny amin’ny fari-dranomasina antsoin’ny mponina ao an-toerana hoe “dangereux” io lehilahy io, ny fiatombohan’ ny taona teo. Vao ny 4 janoary teo koa, lehilahy iray 25 taona natelin’ny rano. Niezaka nanavotra ity farany ny namany saingy nisolifatra ny tanany ka nifampitadiavana. Ora vitsy taorian’ny fikarohana, natsinkafon’ny rano ny vatana mangatsiakan’ity farany.

Afenina ny valanaretina
Tao anatin’ny folo andro, mahatratra 86 ireo namoy ny ainy ho an’ny tao Toamasina, araka ny antontanisa teo anivon’ny sora-piankohonan’ny kaominina misahana ny fa­nambaram-pahafatesana. Maty an-drano sy nisy namono ny valo tamin’ireo. “Mia­ka­tra izaitsizy ny tahan’ny valanaretina Covid-19 eto amintsika saingy afenina ka izao ny vokany”, hoy ny mpitsabo iray ao an-toerana. An­koatra ny Covid anefa, nohamafisin’ity farany fa anisan’ ny mitarika fahafatesan’ny olona sasany koa ny fisian’ny tazo mahery sy ny gripa hafa. Manampy trotraka ny fisotroana alikaola ataon’ny olona sasany kanefa tsy ampy sakafo.

Tsy fandriam-pahalemana
Mifanindran-dalana amin’ ny fiakaran’ny taham-pahafatesana ao Toamasina koa ny tsy fandriampahalemana. Mia­tom­boka amin’ny fandrobana miharo vono olona ataon’ireo jiolahy mitondra fitaovam-piadiana izany. “Miezaka hanatratra ireo jiolahy izay efa fantapantatra sy malaza ratsy amin’ny famonoana olona ao an-toerana ireo izahay”, hoy ny kaomisera Rafaliarivo Jules. Mampitan­drina ireo manaparitaka fitaovam-piadiana toy ny basy sy ireo mampanofa izany amin’ireo jiolahy izy.

Sajo sy Tsiferana R.

Partager sur: