Miroso ny fanamboarana ny tanàna Tanamasoandro izay tetikasam-panjakana atao eny Imerintsiatosika. Nanao tatitra ireo teknisianina eny an-toerana ary fantatra fa hovitaina amin’ity taona ity ny arabe lehibe roa ao an-toerana, mirefy 1,850 km.
Hapetraka ny Cité ministerielle izay tokony hitsangana amin’ity taona ity ihany koa.
Nohatsaraina ny lalana ivelan’ny tetikasa Tanamasoandro izay efa nisy teo aloha. Saro-pady ny fiarovana ny fitaovana sy ny olona miasa sy mivezivezy ao anatin’ny toerana iasana ka noferana ny fidiran’ny olona hafa ao. Izany no namelomana tsara ny lalana hahafahan’ny olon-kafa mifanerasera.
Mirefy 982 ha ny toerana anaovana ny tetikasa Tanamasoandro izay toerana vao hoforonina mihitsy, hisy tanàna sy birao ary fotodrafitrasa maoderina hitondra fampandrosoana.
Tetsy ankilany, nilaza ireo mponina tompon’ny tany fa efa nahazo ny onitra izy ireo.
Resy lahatra nanome ny taniny ny olona hanaovana ny tetikasam-panjakana Tanamasoandro ka nonerana ny vidin-tanin’izy ireo. Maniry ny hahavitan’ny tetikasa haingana ihany koa hahafahana misitraka fampandrosoana.
Tatiana A