Tsy hisy tranga mahery vaika mety hiseho amin’ity herinandro ity. Tso-drivotra avy Atsimo Atsinanana no handrafitra ny toetr’andro amin’ny ankapobeny, tsy ho marim-pototra izany any amin’ny ilany Avaratra. Amin’ny ankapobeny, hivangongo any amin’ny ilany avaratra andrefana sy afovoany andrefana ny orana tandrifin-drahona amin’ity herinandro ity. Hiitatra any amin’ny afovoan-tany izany ny faran’ny herinandro. Hisy fidinana misongadina ny maripana ambony any amin’ny ilany Atsinanan’ny afovoan-tany, any amin’ny fisasahan’ny herinandro. Manodidina ny 15- 26°C ny maripana ny maraina ary eo anelanelan’ny 23 – 38°C izany ny tolakandro.
Ny faritra Analanjirofo no nandray ny hetsika “Fijery hafa”, tao amin’ny Lycée téchnique et Professionnel Fénérive Atsinanana, ny faran’ny herinandro teo. Notsindrian’ny minisitry ny Fampianarana teknika tamin’ny lahateniny fa ny “Fijery hafa” dia tetikasa hanampy ny tanora sy ny vahoaka amin’ny fanofanana sy famoronana asa, ka tsy misy faritra hohadinoina. Naneho fahavononana lehibe ireo tanora 10 716 isa tao amin’ny faritra izay efa nisoratra anarana handray anjara amin’ny fiofanana samihafa.
Ny alakamisy izao no hanamarihana ny Andro maneran-tany ho an’ny fahasalaman’ny nify sy ny ativava. Hotanterahina any amin’ny kaominina Bongatsara izany, ho an’ny eto Analamanga. “Ativava salama, vatana tomady” no lohahevitra voizina. Hisy ny fanalana nify maimaimpoana, fikojakojana ny nify sy ny tolotra ara-pahasalamana maro.
Niantsehatra mivantana tao amin’ny toerana voatokana hanaovana fifaninanana fanamoriana kodiaran-droa tany amin’ny lalam-pirenena voalohany ny ATT. Nanao fanentanana sy fanamafisana ireo fepetra fisorohana ny lozam-pifamoivoizana izy ireo. Nisy koa ny fitiliana ny tahan’ny alikaola tamin’ireo mpitondra moto.