Hetsika maro no notanterahin’ny ekipan’ny fahasalamam-bahoaka Anôsy sy ireo mpiara-miombon’antoka (Oms, Unicef..). Hanampiana ireo traboina vokatry ny fandalovan’ny rivodoza Jude ny faran’ny herinandro teo, tao amin’ny faritra Anôsy, izany. Nisy fandraisana an-tanana maimaimpoana ireo izay niharan’izany teny anivon’ireo sites d’hébergement sy tao amin’ny CHRR Amboanato. Nizarana lay misy odimoka maharitra arahina fanentanana amin’ny ady atao amin’ny tazomoka izy ireo.
Tapaka ny lalana mandeha any Ampanihy (ao Beahitse) ka tsy afaka mifamoivoy ireo fiarabe mitondra ny fanampiana ho an’ny traboina. Efa nandefa fitaovana ny minisiteran’ny Asa vaventy hamahana ny olana. Anisan’ny distrika voa mafy sy nitondra takaitra vokatry ny fandalovan’ny rivodoza farany teo ny distrikan’Ampanihy ka nitondra fanampiana ho an’ny vahoaka ny BNGRC sy ny solombavambahoaka voafidy tany an-toerana.
Ao anatin’ny fanamarihana ny faha-10 taonan’ny hopitaly Anosiala dia misy ny fizaham-pahasalamana maimaimpoana momba ny maso sy ny areti-maso ho an’ny rehetra.
Fizaham-pahasalamana maimaimpoana koa ny momba ny aretin’ny fo sy ny lalandra, ny aretin-tratra, hataon’ny CHU Fenoarivo, ny 27 sy 28 mars izao. Hisy ny fitiliana diabeta ho an’ny rehetra. Omena fanafody sahaza ireo olona nahavita fizaham-pahasalamana.