Vono olona tao Toamasina: Naiditra am-ponja ireo roa lahy nahavanon-doza

Notanana vonjimaika any am-ponja, omaly, taorian’ny niakarany fampanoavana tao Toamasina, ireo roa lahy na­mono nahafaty an’i Tahina. Mi­andry ny fotoam-pitsarana azy any am-ponja ireo jiolahy roa namono nahafaty olona tamin’ny tsatok’antsy ireo. Efa samy nigadra noho ny halatra nataony, tsy nety fay fa nitohy ary izao niafara tamin’ny fa­monoana olona izao ny asa ratsy fanaon’izy ireo. Nataon’ ny zandary famotorana lalina i Lebaba sy Jhaylan taorian’ny nahasamborana azy, ny 13 marsa lasa teo. Samy niaiky heloka ireo tsy mataho-tody ireo fa nanao ny habibiana. Tsy fananam-bola narahina fitiavan-toaka no nisarika azy ireo nandatsaka ny ain’ilay tovolahy vao herotrerony. Namaly ny mpitandro filaminana nanao fanadihadiana izy roa lahy ka nilaza fa tsy noheverin’izy ireo hahafaty io olona nendahiny io ny tsatok’antsy. “Tsy ampy vola ka nanendaka mba hividianana revy”, hoy ny fanazavan’iray tamin’ireo olon-dratsy ireo. Raha tsiahivina, nirava avy nivavaka ka ha­monjy fodiana i Tahina. Ni­fenahatra tamin’i Lebaba sy ny namany izy. Tsy nisy alaharo, nendahin’ireto farany avy hatrany ny sakaosy kely niambozonan’io tovolahy io. Nanatsatotsatoka antsy tamin’ ny tratrany sy ny tendan’ilay lasibatra ny jiolahy iray hafa. Niezaka nitsoaka tany an-tranony ilay voaroba saingy tsy tana ny ainy rehefa nentin’ny fianakaviany teny amin’ny ho­pitaly. Niparitaka ny horonantsary nirakitra ny zava-nisy ka niroso tamin’ny fikarohana ny OMC ao Toamasina. Tra-te­ha­ka ireo roa lahy nahavanon-doza.

Tsiferana R./Sajo

Partager sur: