Anisan’ireo federasiona, hiatrika ny fivoriamben’ny Rugby Afrique ny Malagasy Rugby. Handray anjara mihitsy amin’ny fifidianana izay ho filoha hitantana indray ny kaonfederasiona afrikanina ho an’ny taom-piasana manaraka Rakotomalala Marcel.
Hotanterahina ny asabotsy 18 marsa 2023, ao Cape Town Afrika Atsimo ny fivoriamben’ny kaonfederasiona afrikanina ny rugby (Rugby Afrique). Anisan’ ireo filohan’ny federasiona mpikambana eo anivon’ity rafitra misahana ny baolina lavalava eto Afrika ity Rakotomalala Marcel Joseph, filohan’ny Malagasy Rugby.
Tsiahivina fa efa nandefa taratasy fiarahabana amin’ny nahalany azy hitondra ny federasiona malagasy indray i Khaled Babbou, filohan’ny Rugby Afrique, amin’izao fotoana izao ary nankato ny voka-pifidianana, notanterahina tany Toliara, ny talata 8 novambra 2022. Araka izany, efa mivalona hatreo ny disadisa amin’ny fangatahana ataon’ireo filohan’ny ligy sasany hamerenana indray ny fifidianana satria efa ny rafitra iraisam-pirenena no mankato ny maha filohan’ny Malagasy Rugby an-dRakotomalala Marcel ary porofon’izany izao fanasana azy ho atsy Afrika Atsimo izao.
Anisan’ireo hifidy izay ho filoha hitantana ny Rugby Afrique indray ny tenany. Ankoatra izay, hanamafy ny fampiantranoan’i Madagasikara ny lalao manasa-dalana hiadiana ny toerana ho an’ny “Mondial 2025”, rugby à 15 sokajy vehivavy, ny tenany. Efa nanaiky izany ny World Rugby saingy mila hampahafantarina ireo mpikambana rehetra. Raha tsiahivina, hifanandrina amin’izany ny Makis de Madagascar, voalohany tao amin’ny vondrona “C”, i Afrika Atsimo tao amin’ny “A”, i Kenya ho an’ny “B” ary i Kameronina tao
amin’ny “D”.
Ho an’ny Makis Ladies indray, efa manomana ny fiatrehana ny “Series World Cup Challenger 2023” izy ireo. Fihaonana hatao atsy Cape Town, ny volana avrily ho avy izao. Ekipa 12 sangany indrindra maneran-tany no hiatrika izany ka samy manana solontena roa avy ny kaontinanta enina ka ny Makis sy ny Springboks ho an’i Afrika.
Tompondaka