Handball – IHF Trophy U20 : hanainga ny asabotsy izao ny Akio Madagasikara

Taorian’ny fandresen’ny Akio Madagasikara lehilahy tamin’ny “IHF Trophy” faritra faha-7, ny volana novambra lasa teo, handeha hanainga ho any Congo Brazaville izy ireo ny asabotsy ho avy izao. Hiatrika ny fifaninanana antsoina hoe “IHF Continental Trophy U20” no anton-dian’ ny ekipam-pirenena malagasy ho any. Fifaninanana izay hatao ny 16 ka hatramin’ny 23 janoary ho avy izao.
Araka ny vaovao voaray, miisa 17 ny olona ao anatin’ny delegasiona malagasy mankany Congo, ka 14 amin’izy ireo mpilalao, ny roa mpanazatra ary ny iray “staff”. Efa nanao fanazaran-tena tao amin’ny ANS Ampefiloha izy ireo nandritra ny herinandro teo.
Raha tsiahivina ny lalao famaranana nataon’izy ireo tamin’ny “IHF Trophy Zone 7”, nomontsanin’ny Akio Junior tamin’ny isa 37 no ho 29 ny ekipa maorisianina. Fihaonana notanterahina tao amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena sy ny kolontsaina Mahamasina, ny 29 novambra lasa teo. Hifandona amin’ireo ekipa goavana eto amin’ny kaontinantan’i Afrika ny ekipa malagasy, isan’izany ny ekipan’i Nizeria, tompondakan’ny faritra fahatelo na “Zone 3”, i Rwanda izay nanjaka tao amin’ny “Zone 5”, i Zimbabwe, mpandresy tao amin’ny “Zone 6”, i Congo, ekipa mpampiantrano ny fifaninanana, ary i Guinée, tompondakan’ny “Zone 2”.

Fitia (Mpianatra asa)

Partager sur: