Nisongadina tamin’ny Rap Gasy…: nodimandry i Tax Bouta, Rapadango

Niavaka tamin’ny soratra, ka nahazo ny fankatoavan’ireo namany “mpilalao rima” i Tax Bouta. Iray amin’ireo andrin’ny rap gasy izy, izao folaka an-dantony izao…

Misaona ny tontolon’ ny zavakanto amin’ ny ankapobeny, sy ny fiakaviamben’ny mpiangaly rap gasy manontolo. Nodi­mandry omaly, Rafanome­zan­tsoa Iarisolo, fantatry ny maro amin’ny anaram-bositra hoe Tax Bouta. Efa tamin’ny volana desambra izy no nokiki­san’ny aretina ka tsy nahatohitra izany, ary folaka an-dantony teo amin’ny faha-42 taonany.
Anaram-bositra sady nentiny nametraka tantara ho an’ny rap gasy koa ny hoe Tax Bouta. Mpiondana ny “Haintso-Haintso” toa ireo namany rehetra zatovo, tamin’ ny taona 90 izy. Nahita ny niatombohan’ny rap gasy rehefa nirona tamin’ny fihirana ireo namany vitsivitsy. Nitanko­sina tamin’ireo mpanao rap maro tamin’ny Cité Ampa­ri­be, izay toerana nahaterahan’ ny rap gasy teto Madagasikara i Tax Bouta. Toa ireo namany rehetra, niroso tamin’ny fanoratana sy nihira ihany koa i Tax, ny taona 1998. Anisan’ ireo hira nanoka-dalana ny rap gasy ny “Ady ny fiainana”, izay sanganasany.
Io taona 1998 io ihany no nifankahalalan’i Tax Bouta sy i Tax Da-Hopp (X-Tah), na nananganan’izy ireo ny tarika Rapadango. Nanatevina ny tarika taorian’izay i Bambs, ary mbola i Tax Bouta aloha no nanoratra ny anjaran-tononkirany tany am-boalohany. Nanaraka i Tongue Nat (18,3) sy i Farah Femcee taty aoriana, ka anisan’ireo tarika nametraka tantara satria nahavita rakikira telo ny Rapa­dango. “Rapadango” nivoaka tamin’ny 2000 ny voalohany. Ny faharoa dia “Eo Foana”, saingy tsy nivoaka. Ny fahatelo kosa dia “Tsy hakako L”.
Anisan’ireo mpikambana ao anatin’ny vondrona Dio VXI ihany koa i Tax Bouta. Nisokatra be tamina mpanakanto maro izy, teo amin’ny mozika.. Efa mpikambana tao anatin’ny tarika Mik Mak Crex izy, niaraka tamin’i Tongue Nat sy Slam Jah. Niara-nihira tamin’i Tiffen, ary anisan’ireo niaraka ta­min’i Marion tamin’ny na­nom­bohany. Niaraka tamin’i DJ Denis sy ry Rakoto Frah Junior tanatin’ilay hira “Vaky ny Sova”, sns.

Hoy ireo namana akaiky an’i Tax Bouta:
Tax Da Hopp: “Lasa ilay zandrikeliko anatin’ny rap e ! Ilay tsara fanahy indrindra amin’izahay “Tax” rehetra haiko. Tsara daholo ny zavatra tadidiko aminy ry zareo…”
Bambs: “Be dia be ny fahatsiarovana fa aleo aloha aho hangina satria … “Kenda aho»
Tongue Nat: Tax : Malae­lo ny fo… tadidiko ery ny sovenira tsara indrindra niarahantsika hoe hiakatra Antsa­hamanitra tamin’ny “Afon­dasy 1” hoe hapoakantsika io… “Ady ny Fiainana” hoy ilay hira niarahana izay, vita izany ny adin’ialahy lesy…
Rado DRB: “Voninahitra ho ahy no niara nifampizara mic, sehatra, vazo ary zavatra maro tamin’ialahy … Ho feno fahasambarana any amin’izay misy an’ialahy lesy…”

Nangonin’i Zo ny Aina

Partager sur: