Zoma faha-13 : fotoam-bita ho an’ i Silo sy ny mpankafy

Ny toerana no miova hatrany… Ireo mpankafy an’i Silo kosa tsy mila ampiomanina intsony fa efa mivonona hatrany hihaona amin’ity mpanakanto ity rehefa mitontona ny zoma faha-13-n’ny volana iray. Ho an’ny zoma izao, nisafidy ny CFM Anosy i Silo, manomboka amin’ny 8 ora alina sy 13 minitra. “Fihaonantsika, hifampiarahabantsika, amin’ny fombantsika… Mozika io”, hoy i Silo.
Araka izany, io indray ny fotoana hanohizana ilay anjoria nandritra ny “Oay!” notontosaina tetsy amin’ny Garan’i Soarano ny volana mey lasa teo. Na izany aza, tsy misy mitovy izany ny tolotra omen’i Silo, fa arakaraka ny aingam-panahiny sy ny mpankafy miaraka aminy eo. Manantena kosa ny mpankafy fa hifampizara sehatra aminy amin’ity fiarahana ho fifampiarahabana ity ireo mpanakanto mpitendry mpiara-dalana amin’i Silo hatramin’izay.

Zo ny Aina

Partager sur: