Manoloana ny fiakaran’ny renirano eny Sisaony, tonga manara-maso ny fahasalamana sy ny fitsaboana maimaimpoana eny amin’ny toeram-pandraisana ireo traboina eny Antanimenabe Ampitatafika ny ekipan’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, omaly vao maraina.
Noho ny fisian’ny fampitandremana miloko mena amin’ny fiakaran’ny rano eto amin’ny lemak’Antananarivo avy amin’ny Apipa sy ny BNGRC, nanapaka ny “Comité de vigilance” fa niato ny fampianarana amin’ireo ivontoeram-pampiofanan’ny Fitaleavam-paritry ny fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa Analamanga, Antananarivo Atsimondrano, omaly. Tafiditra tao anatin’izany manokana ny Lycée teknika Soavina.
Omaly, namoaka fampitandremana miloko mena amin’ny fiakaran’ny rano ny Apipa amin’ny lemak’ Antananarivo lalovan’ny reniranon’i Sisaony. Voakasik’ izany ny kaominina Tsiafahy, Androhibe, Antsahadinta, Bongatsara, Antanetibe Ambohijory, Alatsinainy Ambazaha, Ampahitrosy, Soalandy, Ampanefy, Soavina, Anosizato Andrefana, Ampitatafika…
Hotanterahina eo amin’ny Esplanade Analakely sy ao amin’ny Amphi 50G, fakiolten’ny EGS, ny 26 sy 27 marsa izao, ny firaisankina ho an’ny fandriampahalemana tanterahin’ny mpianatra eny amin’ny oniversite. Iarahana amin’ny tetikasa IRF ny hetsika, ho fanamafisana ny firaisankina sy fifanakalozan-kevitra eo amn’ny mpisehatra amin’ny fandriampahalemana.