Sady manavao sy manangana efitranon-tsekoly vaovao ny fandaharanasa “Sekoly Yas” no manofana ny mpanabe ihany koa. Mba hahazoana fanabeazana manana kalitao ny antony. 10 taona nanohanana ny fanabeazana eto Madagasikara ny Fondation Axian sy ny orinasa Yas.
Nitondra tombontsoa ho an’ny mpianatra 45 600 manerana ny faritra 23 ny fanavaozana sy fanorenana efitrano sekoly miisa 588, nanomboka ny taona 2015 no ho mankaty. Tetikasan’ny Fondation Axian sy ny orinasa Yas Madagascar miaraka amin’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena izany. Nampitondraina ny anarana “Sekoly Yas” ity tetikasa ity. Sekoly 207 no nohatsaraina na naorina mihitsy miaraka amin’ny toeram-pidiovana sy fivoahana misy rano, mbola nisitraka toerana fanaovana fanatanjahantena koa ny sekoly sasany ary fampitaovana toy ny latabatra sy seza vaovao, araka ny fanazavan’ny filohan’ny Fondation Axian, Andrianasolo Mialisoa, omaly, teny Andraharo. 67% amin’ny tetibolan’ny fondation natokana ho an’ny fanabeazana avokoa satria mitondra amin’ny fampandrosoana ny firenena izany. Amin’ity taona ity, sekoly 30 no tanjona iarahan’ny roa tonta ary efa nisy ny fanorenana lycée voalohany tao anatin’ny tetikasa “Sekoly Yas”. 11 ny sekoly Yas an-dalam-panamboarana amin’izao fotoana izao.
Nosantarina, omaly, teny Andraharo, ny fanombohana ny asa fanarenana sy fananganana efitranon-tsekoly vaovao ho an’ny taona 2025. Tontosa rahateo ny fanaovan-tsonia ny fiaraha-miasa mandritra ny dimy taona ho avy ho an’ny fanatsarana ny fanabeazana.
“Ankoatra ny fanohanan’ny sehatra tsy miankina, hanorina sekoly manara-penitra 127 ny fanjakana ary hizara latabatra sy seza 65 000 voafaritra anatin’ny tetibolan’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena”, hoy ny minisitra Sahondrarimalala Marie Michelle.
Anisan’ny sekoly nisitraka ny tetikasa “Sekoly Yas” ny EPP Antanimena II, ny taona 2022. “Nametrahana efitranon-tsekoly roa vaovao andraisana ireo préscolaire ka 130 ny ankizy madinika raisina ao, raha 65 teo aloha. Hafa ihany ny zaza nandalo préscolaire. Tombony ny fanitarana ny fotodrafitrasa teo aloha nahazoana mandray mpianatra maro kokoa”, hoy ny talen-tsekoly, Rasoanantoanina Elisa.
Vonjy